Main pages

Surah Al-Qadr ( The Night of Decree )

Malagasy

Surah Al-Qadr ( The Night of Decree ) - Aya count 5

بِّسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ إِنَّآ أَنزَلْنَٰهُ فِى لَيْلَةِ ٱلْقَدْرِ ﴿١﴾

Tena marina fa nampidiniko tamin'ny alin'ny lahatra tokoa ny Kor'any.

وَمَآ أَدْرَىٰكَ مَا لَيْلَةُ ٱلْقَدْرِ ﴿٢﴾

Moa fantatrao va inona izany alin'ny lahatra izany ?

لَيْلَةُ ٱلْقَدْرِ خَيْرٌۭ مِّنْ أَلْفِ شَهْرٍۢ ﴿٣﴾

Ny alin'ny lahatra dia tsara lavitra mihoatra ny arivo volana.

تَنَزَّلُ ٱلْمَلَٰٓئِكَةُ وَٱلرُّوحُ فِيهَا بِإِذْنِ رَبِّهِم مِّن كُلِّ أَمْرٍۢ ﴿٤﴾

Alina izay hidinan'ireo anjely sy ny fanahy nohon'ny alàlana avy amin'ny Tompon'izy ireo ho fanatanterahana ny baiko rehetra.

سَلَٰمٌ هِىَ حَتَّىٰ مَطْلَعِ ٱلْفَجْرِ ﴿٥﴾

Ary alina feno fiadanana izany mandra-pahatongavan'ny maraina vao mangiran-dratsy.