Main pages

Surah Al-Humazah ( The Slanderer )

Malagasy

Surah Al-Humazah ( The Slanderer ) - Aya count 9

وَيْلٌۭ لِّكُلِّ هُمَزَةٍۢ لُّمَزَةٍ ﴿١﴾

Loza ho an'izay mpanendrikendrika sy mpifosa !

ٱلَّذِى جَمَعَ مَالًۭا وَعَدَّدَهُۥ ﴿٢﴾

Izay nanangona harena sy nanisa izany.

يَحْسَبُ أَنَّ مَالَهُۥٓ أَخْلَدَهُۥ ﴿٣﴾

Mihevitra izy fa ny harena dia hampaharitra azy mandrakizay.

كَلَّا ۖ لَيُنۢبَذَنَّ فِى ٱلْحُطَمَةِ ﴿٤﴾

Tsia ! Tsy maintsy hatsipiko ao anaty Afo izy.

وَمَآ أَدْرَىٰكَ مَا ٱلْحُطَمَةُ ﴿٥﴾

Moa fantatrao va izany Afo izany ?

نَارُ ٱللَّهِ ٱلْمُوقَدَةُ ﴿٦﴾

Izany dia Afon'I Allah miredareda !

ٱلَّتِى تَطَّلِعُ عَلَى ٱلْأَفْـِٔدَةِ ﴿٧﴾

izay miantefa hatrany am-po.

إِنَّهَا عَلَيْهِم مُّؤْصَدَةٌۭ ﴿٨﴾

Ka hanepotra azy ireo.

فِى عَمَدٍۢ مُّمَدَّدَةٍۭ ﴿٩﴾

Ao anaty fefy mijoalajoala no sady mivelatra.