Main pages

Surah Al-Qari'ah ( The Striking Hour )

Malagasy

Surah Al-Qari'ah ( The Striking Hour ) - Aya count 11

ٱلْقَارِعَةُ ﴿١﴾

Ilay mikotrokotroka !

مَا ٱلْقَارِعَةُ ﴿٢﴾

Inona moa ilay mikotrokotroka ?

وَمَآ أَدْرَىٰكَ مَا ٱلْقَارِعَةُ ﴿٣﴾

Moa fantatrao va ilay mikotrokotroka ?

يَوْمَ يَكُونُ ٱلنَّاسُ كَٱلْفَرَاشِ ٱلْمَبْثُوثِ ﴿٤﴾

Dia ilay andro hahatonga ny olona ho toin'ny lolo mielim-patrana.

وَتَكُونُ ٱلْجِبَالُ كَٱلْعِهْنِ ٱلْمَنفُوشِ ﴿٥﴾

Sy ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety.

فَأَمَّا مَن ثَقُلَتْ مَوَٰزِينُهُۥ ﴿٦﴾

Ka ho an'izay mavesa-danja ny asa soa vitany.

فَهُوَ فِى عِيشَةٍۢ رَّاضِيَةٍۢ ﴿٧﴾

Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy ireo !

وَأَمَّا مَنْ خَفَّتْ مَوَٰزِينُهُۥ ﴿٨﴾

Fa ho an'izay maivan-danja kosa ny asa soa vitany.

فَأُمُّهُۥ هَاوِيَةٌۭ ﴿٩﴾

Ny lavaka mangitsongitsoka no fonenan'izy ireo.

وَمَآ أَدْرَىٰكَ مَا هِيَهْ ﴿١٠﴾

Moa va fantatrao izany lavaka mangitsokitsoka izany ?

نَارٌ حَامِيَةٌۢ ﴿١١﴾

Afo mivaivay izay tsy izy.